Fangatahan’ny mponinan’Analavory tamiko tamin’ny fotoan’ny fampielezankevitra ny hanavaozana ny tsena teto izay feno loto, mamotaka ary tsy hay ivarotana raha vao avy ny orana.
Ankehitriny tsena vaovao, midadasika amina velarana 11.000 m2 no tokanana eto sy atolotra ny mponina. Ahitana tsena mitafo miisa 3 ary mahazaka mpivarotra 1000 mahery. Misy ihany koa biraon’ny zandarimaria, kianja filalaovana sy fanaovana fampisehoana ary efitrano fidiovana manara-penitra.
Ho hita eto avokoa ireo zavatra rehetra ilaina amin'ny fiainana andavanandro ary tsy ho diso anjara ireo mpamboly sy mpiompy izay afaka hampiasa ity tsena ity hamarotana ny vokatr'izy ireo. Tohanantsika manokana rahateo ireo tantsaha mpamokatra koa notolorana fitaovana izy ireo hahafahany manatsara ny famokarana.