Tsy ho lazan’ny faritra Itasy fotsiny ny trondro fa ho ataontsika fanoitra ara-toekarena sy fototra hahatrarana ny fizakan-tena ara-tsakafon’ny faritra. Midadasika rahateo, 3500ha ny farihin’Itasy izay sehatra afaka hampiroboroboana ny toekarena manga. Zana-trondro miisa 50.000 araka izany no arotsaka eto mba hitombo ka afaka hampiakarina sahady afaka efa-bolana. Hamenoana ny rojom-pihariana amin’ny toekarena manga hatrany dia hampiroboroboana eto ihany koa ny fambolena lomotra.