Anisan'ireo fotodrafitrasa nangatahan’ny mponina aty amin'ny faritra Itasy ihany koa ireto Tranom-pokonolona eto Miarinarivo sy Analavory ireto.

Nohavaozina tanteraka izy ireo ary samy ahitana efitrano malalaka iray, misy fanamafisam-peo, jiro, fanaka, takelaka famantarana mirehitra sy efitra fidiovana manara-penitra.

Ho fanampiana amin’ny fanatsarana endrika ny tanana dia notolorana fiarabe fandraofana fako ihany koa ny kaomin'i Miarinarivo sy Analavory ho fanadiovana ny tanàna.