Mialoha ny hifanandrinan’izy ireo amin’ny ekipam-pirenen’i Bénin dia nanasa ireo Barean’i Madagasikara teto Iavoloha ny tenako ho mariky ny firaisam-po sy firaisan-tsaina.

 Mankasitraka ny kintan’ny baolina kitra Samuel Eto’o tonga manohana ny ekipam-pirenentsika. Antenaina fa hamporisika ireo tanora Malagasy mba hikendry ny tsara kokoa hatrany eo amin'ny sehatry ny fanatanjahan-tena izao fahatongavany eto Madagasikara izao.

Manantitra indray ihany koa ny fanohanan’ny Malagasy iray manontolo ny Barea ary mitsodrano azy ireo mba hitondra avo ny voninahi-pirenena, hanoratra pejy vaovao eo amin’ny tantaran’ny fanatanjahantena Malagasy.