Melohiko tanteraka ny fisomparana ataon’ny mpikambana sasany ao amin'ny Federasiona Malagasin’ny baolina Kitra - FMF haminganana ny ezaka lehibe ataontsika hanandratana sy hitondrana lavitra ny kitra Malagasy.

Tsy azo leferina ny fingana natao izay nitarika fandrarana ny Malagasy tsy ho afaka hanatrika ny fitokanana ny Kianja BAREA sy hanohana ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara izay hifanandrina amin'i Bénin amin’ny lalao fifanitsanana hiakarana amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tanin’ny baolina kitra hotanterahana ny taona 2022. Alalana avy aiza no nahafahan’ny FMF hanoratra any amin’ny CAF hangataka mpijery 1500; hanohitra ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena izay efa nanoratra tamin’ny FIFA sy ny CAF ny hahafahana hanatrehan’ny mpijery ny lalao no sady hitokanana ny kianja ho an’ny 02 septambra satria efa resy ny COVID-19 eto Madagasikara? 

 Tsy fanomezana hasina ny Malagasy ny fihetsiky ny FMF, tsy fanomezana hasina ny mpilalao, tsy fanomezana hasina ny taranja baolina kitra koa melohiko ankitsirano.

Mankahery sy mamporisika hatrany ireo mpilalao rehetra sy ny ekipa teknikan’ny BAREA izay niara-dalana tamiko sy nigadona eto Ivato ny ampahany voalohany. Eo anilanareo hatrany ny vahoaka Malagasy iray manontolo. Tsy maintsy mandresy ny Barea ary tsy maintsy ho lasa lavitra. Ny kianja Barea, izay endriky ny firaisankina, dia ho tokanantsika ny asabotsy 04 septambra ho avy izao.