Tontosa soa aman-tsara omaly teo amin'ny Kianja BAREA Mahamasina ny lanonana fankalazana ny faha 61 taona niverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara.
Lanonana tao anaty filaminana, fitoniana sy fifaliana tanteraka ary indrindra tao anatin'ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana. Koa dia manantitra ny fisaorana sy fankasitrahana ireo rehetra niara-nisalahy nahalavorary izany ny tenako. Singaniko manokana amin'izany:
-Ny fianakaviamben'ny foloalindahy izay sady nanatanteraka ny Matso no nitandro ny filaminana
-Ireo mpiara-miasa eto anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika, ny avy ao amin'ny Komity teknika nasionaly nikarakara ny fanomanana, ny ministeran'ny fiarovam-pirenena, ny fiadidiana ny Tananan'Antananarivo
-Ireo mpanao gazety sy mpikirakira serasera, ny haino amanjerim-panjakana (TVM sy RNM) sy ireo tsy miankina izay niara nifandrimbona tamin'ny fampitana ny fankalazana, ireo teknisiana rehetra, ireo mpanakanto ary ireo rehetra niara-nisalahy tamin'ny fanatontosana iny fankalazana manetriketrika iny
-Farany saingy tsy ny kely indrindra dia ny vahoaka Malagasy rehetra tsivakivolo manerana ny Nosy.
Ao anatin'izao Asaramanitra izao dia nisy ny fanenan-tsazy nomeko na "grâce présidentielle" ho an'ireo rehetra izay voakasik'izany.Ireo foloalindahy rehetra izay nandray anjara tamin'ny Matso ihany koa dia mahazo fialan-tsasatra mandritry ny 24 ora.
Dia mirary soa hatrany antsika rehetra.