Voalohany tamin’ny tantaran’ny nosy no nisy fiaraha-mientana toa izao ikatsahana fanovana haingana sy maharitra ho an’ Anosy sy Androy. Nahafahana namaritra ny hanatanterahana ireo vina sy tetik’asa hampandrosoana ny tapany atsimon’i Madagasikara izay hifantoka amin'ny famatsiam-drano, ny fanamboaran-dalana, ny famokarana angovo, ny fambolena sy ny fiompiana hahatrarana ny fizakan-tena ara-tsakafon'ny faritra.