Mila manana fahasahiana isika hanova ny tantaran’ny aty Atsimo. 80 taona mahery izao no niaretan’ireo mponina aty ny mosary, ny haintany, ny fahantrana. Fotoana izao hametrahana tetik’asa maharitra ahitam-bokany haingana. Fotoana hametrahana vina mazava sy tetik’ady maty paika hanatanterahana izany. Tsy hionona amin’ny fanampiana mandalo intsony ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Vahaolana maharitra dia ny fanajariana ny tany ahatrarana ny fizakan-tena ara-tsakafo, ny fametrahana indostria hanodinana ireo vokatra, ny fanamboaran-dalana indrindra ny rn13 sy rn10, ny fifehezana ny rano ary ny famoronana asa no entina hanavotana an’Androy sy Anosy. Tsy hanome trondro fotsiny isika fa hanome harato; miara-mientana anatin’izao fikaonandoha goavana eto Tolagnaro izao. Isika samy malagasy ihany no afaka hamadika ny pejy, hitondra fampandrosoana aty atsimo.
Isika samy malagasy ihany no afaka hamadika ny pejy, hitondra fampandrosoana aty atsimo
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA