Tonga ny concentrateurs d’oxygène miisa 2000
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Manao ny ezaka rehetra isika ho entina hamonjena ireo Malagasy mpiray Tanindrazana izay marary sy miady mafy amin’ity aretina coronavirus ity. Tonga androany ny fitaovana ho entintsika mamonjy aina ka hitsaboana ireo marary tojo fahasemporana ka concentrateurs d’oxygène miisa 2000 izao tonga androany izao hanampy ireo 2400 efa nafaran’ny fitondrana taminy taona lasa. Halefa any amin’ireo faritra izay ahitana tranga misy fahasarotana toy ny any Vakinankaratra, Matsiatra ambony, SAVA sy ny faritra hafa avy hatrany ireto fitaovana ireto. Rahampitso ihany koa dia hihazo an’i Chine ny fiaramanidin’ny Air Madagascar haka bouteilles d’oxygène ka ho tonga eto amin'ny faran'ity herinandro ity izany.