Zava-dehibe ho an’ny fitondram-panjakana ankehitriny, indrindra eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny Ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiambola. Antony nanatrehako ny lanonam-pianianan’ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN androany. Isan’ny andraikitra voalohany miandry azy ny fanaraha-maso akaiky ny fampodiana ireo vola vahiny. Eo ihany koa ny famotorana ireo olona rehetra voakasiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena izay tafiditra anatin’ny Velirano natao rahateo. Hanome aina vao sy hanome vokatra amin’ny ady ataontsika amin’ny kolikoly sy ny famotsiambola ny fanendrena izao Tale vaovao izao.