Nahavita ny fianianany ny maraina teo ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Voninahitra ho ahy ny nanatrika izany fotoam-pitsarana manetriketrika izany sy mitsodrano azy ireo hahatontosa ny adidy goavana iandraiketany, hitandro ny fahamarinana sy hampanaja ny lalàna sy lalampanorenana araka ny fianianana nataon’izy ireo.