Tsy filoham-pirenena teo aloha fotsiny no nandao antsika androany fa endriky ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiarovana ny hambompom-pirenena. Nandao antsika ny Amiraly. Very olomanga ny firenena. Lasa ilay ray amandreny matsilo saina, tsy nikely soroka ho an’ny Tanindrazana hatramin’ny fara fofon’ainy.
Nandao ianao Président Didier Ratsiraka, fa ny tsiaro anao dia hitoetra ao amponay. Ho tsaroana ilay hoe « I Madagasikara tsy mandohalika » . Tsy ho azo kosehina anatin’ny tantara ny anaranao.