Fikaonandoha niaraka tamin'ny Académie Nationale de Médecine - ANAMEM
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
- sy ny fitondram-panjakana no nijerena ny fihanaky ny valan’aretina covid19 sy ny paikady tokony horaisina noho ny fahatafidiran’ny variant sud africain eto amintsika.
Ankitsimpo ny dinika nifanaovana satria aina Malagasy an-tapitrisany no miankina amin’ny fanapahan-kevitra ho raisina. Koa rehefa nandray ny hevitra sy ny toromarika ary ny torolalana avy amin’ny ANAMEM ny fanjakana dia toa izao izany fanapahan-kevitra izany:
1- Hiroso amin’ny fijerena sy fampiasana ireo vakisiny mahatohitra ny « variant » misy eto Madagasikara isika.
2- Tapaka fa safidy ny vakisiny ary tsy tokony atao an-tery.
3-Ny vaomiera siantifika miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamambahoaka sy ny ministeran’ny fampianarana ambony ary ny fikarohana ara-tsiansa no handrafitra ny dingana tsy maintsy hatrehina ahafahana manatanteraka izany.
4- Ny fampiasana ny vokatra Malagasy CVO Plus ao anatin’ny protocole de traitement amin’ny fitsaboana sy fisorohana ny covid 19 dia mbola mitoetra ary mitohy hatrany.
5- Ny fitandreman’ny tsirairay avy no zava-dehibe hahafahana miaro ny tena, ny fianakaviana ary ny firenena manoloana ny fihanaky ny valanaretina. Ilaina noho izany ny fanarahana antsakany sy andavany ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana rehetra mipetraka eto Madagasikara.