Tsy maintsy samy mahazo ny anjara fotodrafitrasa ho an'ny fampandrosoany ny rehetra. Voaporofo eto Antsiranana izany amin'ny alalan'ireto fotodrafitr'asa maro natsangana sy aorina eto.
Misy ireo manakana, misy ireo mamingana sy miezaka ny hisintona antsika hihemotra fa tsy hahasakana antsika izany. Mainka hamafisintsika ireo Velirano natao ary hoporofointsika amin'ny asa ny fitiavana ny vahoakan'Antsiranana.