Afaka mirehareha isika Malagasy ankehitriny satria izay efa lasa lavenona no narenintsika indray hamelona ny fanantenana, ny hambompom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ao ampontsika tsirairay avy. Andro iray toa zato, tsy azo lalovana fotsiny ny andro anio, anolorana ho an’ny Malagasy tsivakivolo ny Rovan’i Madagasikara. Andro horaiketina amin'ny tantara ary tsy ho voakosoka na oviana na oviana. Rova izay ho mozea hitahiry ny harem-bako-pirenena no sady hampita amin’ny taranaka fara mandimby ny tantaran’ny firenentsika. Satria firenena very ny firenena tsy mahatahiry ny tantarany. Rova mariky ny fiandrianam-pirenena sy hampiray ny Malagasy ihany koa.
Noraisintsika ho fanamby ny hamerina ity harem-pirenena ity ary rehefa miasa miaraka sy amin’ny finoana isika dia tratra ny tanjona. Irariana mba ho mafy ny firaisankina satria ny Malagasy dia iray ary i Gasikara dia foin-janahary ho Nosy iray tsy mivaky.
Madagasikara hoan'ny Malagasy ary ny Malagasy kosa hoan'i Madagasikara.