Mamokatra lafarinina 500taonina isan’andro ankehitriny ary tanjona ny hampiakatra izany ho 1200taonina isan’andro amin’ny 2021. Tombony manokana ho an’i Toamasina ny fananana ity ozinina manome asa ity. Tombony ho an’i Madagasikara ihany koa satria hihena 15% ny vidin’ny lafarina noho ny famokarana eto an-toerana no sady hihatsara ny kalitao.

Mampiroborobo ny indostria isika mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ozinina efatra izao no nisokatra tanatin’ny herintaona ary ho avo roa henin’izany ny tanjona izany amin’ny 2021. Mandray anjara eo anilan’ny mpandraharaha tsy miankina ny fanjakana ary mandrisika sy manampy azy ireo hampiasa vola eto an-toerana ho tombontsoan’ny firenena sy ny mponina.