Nanome toromarika manokana ny Filoham-pirenena nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny 5 Aogositra 2020, ny hanamafisana ny lamina atao amin’ny fizarana ireo vatsy tsinjo andiany faharoa ho entina miatrika ity valan’aretina ity ho an’ireo distrika miisa 13 manerana ny Nosy, miampy an’Antananarivo Renivohitra sy Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo.

Ireo distrika izay tena nianjadian’ny fahasahiranana henjana noho ny fihanaky ny valan’aretina teo amin’izy ireo no voakasik’ity fanampiana sy fandamianana ity.

Hidina ifotony ireo minisitra sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo isan-tokony avy hanampy sy handrindra miaraka amin’ireo tompon’andraikitra any ifotony, mba hisian’ny fizarana marina ary tena hiantraika any amin’ireo tena mila azy ny fanampiana atolotry ny fanjakana izay miteti-bidy eo amin’ny 72 miliara ariary.

Ireo loham-pianakaviana no tokony mandeha maka ny fanampiana mba hanamarinana fa isan-tokantrano marina ny fizarana ary tsy maintsy miaraka

amin’ny karinem-pokontany fanaovana adidy hatrizay izy ireo mba hanarahana tsara ny fisitrahan’izy ireo ny fanampiana.

Napetrany ihany koa ny toromarika hanatsarana ny fomba fitantanana eny anivon’ny fokontany ka tokony hametrahana, miaraka amin’ny paikady fizarana

fanampiana Vatsy Tsinjo, ny rejisitra vaovao sy ny boky vaovao ampiasaina eny anivon’ny fokontany izay tsara raha atao ara-kajy mirindra.