NY FILOHAN’NY REPOBLIKA HO AN’IREO MPIKAMBANA AO

ANATIN’NY GOVERNEMANTA :

 

Toy izao ny toro-lalana ankapobeny sy isaky ny ministera tsara asiana fanamarihana sy fanarahana manokana araka ny voafaritra ao anatin’ny drafitra fanarenana sy fanorenana ho an’ny tapany faharoa amin’ity taona 2020 ity, izay voafaritra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana.

 

  Eo amin’ny fitsipika sy fanatanterahana amin’ny ankapobeny izay voafaritra rehetra anaty drafi-panorenana izay efa nifampiresahana tamin’ireo mpandraharaha isan-tokony ihany koa :

 Ny fanaovana asa fanampiny amin’ireo tetikasa efa an-dalana dia ilaina

fahazoan-dalana manokana

 

  • Ilaina ny fanapariahana sy fampahafantarana ny rehetra any amin’ny

distrika ireo tetikasa sy tsenam-panjakana rehetra atao isaky ny faritra.

 

  • Ny fampitaovana ara-informatika rehetra dia tokony ahitana solosaina,

« imprimante » ary « onduleur » ka tokony ho 3,550 Millions Ar ny tombam-bidiny (ordinateur + imprimante + onduleur)

 

  • Ny asam-panjakana izay tanterahana dia tokony hanomezana

ampaham-bola ho enti-manao ny asa hatramin’ny 20% mba hahafahan’ireo mahazo ny tetikasa manomboka avy hatrany ny asa sy manatanteraka izany ara-dalàna.

 

  • Ilaina ny fiaraha-midinika amin’ireo solombavambahoaka sy ireo avy any amin’ny faritra ny amin’ny fandrafetana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ho amin’ny taona manaraka.

 

  • Ny ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola dia mila manamarina hatrany ireo tetibola sy ny mari-bola aroson’ny ministera tsirairay avy indrindra eo amin’ny fanaovana ireo tetikasa.

 

  • Ny ministera isan-tokony dia tokony ho mailo tsara ary hampifanaraka

tsara ny tetikasa aroso sy ny sora-bola entina manao izany sy izay soratana anaty tetibola mba hisorohana ny gaboraraka sy ny fanararaotana

 

  • Ny ministera tsirairay dia mila manao jery todika sy fampitahana ny

zava-bita na mifanaraka na tsia amin’ny tetibola efa voasoratra ny taona

2019 sy ireo voalaza tao anatin’ny tetibola 2020 rehetra, mba hahafahana manara-maso sy mijery ireo asa efa vita sy hisorohana ny fandaniam-poana ny volam-panjakana.

 

Mahakasika ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola manokana dia :

 

  • Mila mijery sy manara-maso ireo orinasa tsy ankanavaka izay

nanatanteraka asa ny taona 2017-2018-2019 ary 2020 izay nahazo

asam-panjakana ny amin’ny fandoavan’izy ireny ny tataonketra TVA

nandritra ireo fotoana voalaza ireo.

 

Mahakasika ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

 

  • Ilaina ny fampitoviana ny karam-pokontany rehetra manerana ny

tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara mba ahafahana manamora ny

« digitalisation » ny eny anivon’ny fokontany.

 

Mahakasika ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy :

 

  • Ilaina vitaina ao anatin’ny fotoana fohy nefa mazava tsara ny

fandefasana tolo-barotra mahakasika « flyovers » 2 araka ny toromarika

efa napetraka.

 

Mahakasika ny Minisitry ny fizahantany, ny fitaterana ary ny famatarana ny toetrandro :

 

  • Ilaina ny fijerena manokana ny fitantanana eo anivon’ny FCE. Mila

hanovana fitsirihana manokana sy fanadihadiana lalina ny fanomezana

ny tsenam-barotra manodidina ny fanatrehana ny asa “brise lames” any

Soanierana Ivongo izay nomena ny taona 2018 nefa mbola tsisy asa

mijoro ankehitriny izay efa nandoavana ampaham-bola ihany koa.

 

Mahakasika ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo :

 

  • Ny ministera dia tokony hanao fanadihadiana manokana eo anivon’ny

ministera isan-tokony mahakasika ny fampiasam-bola manodidina ny solika, ka mila jerena amin’izany ny solika tena miasa marina isaky ny fiara sy ny sampan-draharaham-panjakana isan-tokony sy ireo izay voasoratra anaty tetibola mba hijerena ny fandaniam-poana hita lany manodidina ny solika sy ny fiara manerana ireo sampan-draharahampanjakana isan-tokony.

Ny ministera dia tokony hijery akaiky ihany koa ny fividianana ireo “groupes électrogènes” miisa 7 izay ambara fa afaka mamokatra herinaratra 1,2MW farafahakeliny nafarana avy any Belgique, ary mila mijery ihany koa izay fampitaovana hafa miaraka amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana manodidina ny fampiasana ireo groupes mihodina amin’ny alalan’ny solika mavesatra.

  

Mahakasika ny Minisitry ny fahasalam-bahoaka :

 

  • Mila manokatra fandihadiana manokana ny ministera mikasika ny

tetibola natokana ho amin’ny fanamboarana ny hopitaly manarapenitra any Maintirano sy ny fampitaovana azy izay ahiana ho mihoampampana raha ny tena mandeha ara-dàlana ny fandaniam-bola rehetra. Toy izany ihany koa ny tetibola sy ny sora-bola natokana ho an’ny fanarenana ny hopitaly manarapenitra any Manakara sy Morondava. Tokony hisy ny fijerena manokana ireo asa efa vita sy ireo heverina mbola ho vitaina ary ny sora-bola voalaza tamin’izany, ary mila aroso ny tsenam-barotra ho entina manarina indray ny hopitaly manarapenitra any Manakara.

Ny minisitra dia mila manara-maso akaiky ihany koa ny fitaovana sy ny sora-bola entina ho an’ireo hopitaly eny anivo’ny Distrika, ny Hopitaly lehibe ary ny tobim-pitsaboana fototra CSB. Ilaina fanatsarana ny fanorenana ireo CSB mandray ireo reny mpiteraka mba hanasahana ny toeram-piterahana sy ny toerana handraisana ireo marary.

 

Mahakasika ny Minisitra misahana ny fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana arak’asa :

 

  • Mila jerena manokana ary tokony hiafara hatramin’ny fanafoanana sy

fanadihadiana lalina ny fametrahana tetibola mitentina 1,140 Milliarac Ar ho an’ilay tetikasa « Kilasy pour tous » Tokony hanaovana fandihadiana manokana sy fanaraha-maso akaiky ny antony sy ny lalana tiana hiaviana amin’ny fametrahana sora-bola mihoampampana ary tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy manodidina ny fitsinjarana ireo boky sy rakibolana manerana ny Nosy izay tao anaty volavolan-dalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana 2020.

Ireo tetikasa rehetra izay efa nahazoana tolo-bidy ara-dàlana ka efa azon’ireo orinasa dia tokony omena azy ireo faran’izay haingana ary hampahafantarana sy ilaina ny fanafainganana ny fanombohana ny asa azon’izy ireo anaty  anajana ny kalitao sy ny voafaritry ny asa.

Ao anatin’ilay tetikasa fanorenana lakilasy miisa 1100 ka ahafahan’ireo

distrika 119 mahazo lakilasy 2 ka hatramin’ny 4 ahitana toerampidiovana

sy fampitaovana dabilio maoderina dia mila aparitaka dieny izao sy ampafantarina eny anivon’ny PRMP isaky ny DREN ny fandefasana ny tsenam-baro-panjakana mba hisian’ny mangaraharaha sy ny fanafainganana ary ny fanapariahana ny asa araka izay efa voalaza. Tsy tokony hihoatra ny 120 tapitrisa ariary araka ny efa voasoratra raha ny lakilasy 2 miaraka amin’ny toeram-pidiovana sy ny fampitaovana izany maoderina.

Ny vola natokana ho an’ny fampandehanana ny sekoly na ny Caisse école dia mila atao tonga eny anivon’ny Sekoly avokoa iray volana mialoha ny fidiran’ny mpianatra ka 5000 Ar isaky ny mpianatra arakaraky ny habetsaha’ny mpianatra ka ilaina ny fisian’ny mangarahara sy ny fitantanana madio miainga ao amin’ny ministera araka ny sora-bola efa napetraka mipaka hatrany amin’ireo sekoly mba hanamaivanana ny vesatry ny fidiran’ny mpianatra ho an’ireo ray amandreny amin’ny taom-pianarana manaraka.

 

Mahakasika ny Minisitry ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana

ary ny lalàna sosialy :

 

  • Ilaina ny fampahafantarana any amin’ny faritra ary ao anatin’ny fotoana

haingana ny fanamborana ireo biraom-paritry ny ministera toy ny any amin’ny faritra Anosy, Itasy, Betsiboka, Amoron’i Mania, Menabe, Manakara, SAVA ary Analanjirofo. Manodidina ny 450 tapitrisa ariary ny fanaovana ny biraom-paritra iray ary mila atao mangarahara izany.

Ilaina ihany koa ny fandefasana mazava ny tsenam-barotra manodidina

ny fividianana fiara tsy mataho-dalana 6 izay tsy tokony hihoatra ny 120 Millions Ar ny iray ary fiara matanjaka.

 

Mahakasika ny Minisitry ny fampianarana ambony ary ny fikarohana siantifika :

 

  • Ny fampitaovana ireo Oniversite rehetra araka ny voafaritra ao anaty

volavolan-dalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana 2020 dia tokony

hampahafantarina sy aroso haingana araka izay azo atao.

Tokony hanara-maso sy hijery akaiky ny fanaovana ny totalin’isa sy totalin’ora fanampiny tena niasana marina ny Minisitra eo amin’ny fikajiana ireo tambin-karama mifandraika amin’izany ary mila atao arahairaha izany.

Mila arahana akaiky ary tanterahana amin’ny fitsanjarana vatsimpianarana

manaraka ny fandoavana izany amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao.

 

 

Mahakasika ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra :

 

  • Ny tetibola natokana sy narafitra tamin’ny fanatanterahana ny asa

mikasika ny toby fikirakirana fako tany Toliara no atao maodely eo

amin’ny fandaniana manaraka ho entina amin’ireo toby vaovao vao

haorina manerana ny faritra hafa. Ilaina jerena ihany sy hafainganina ihany koa ny fanaovana ny « centre d’enfouissement ».

 

Mahakasika ny Ministry ny rano, fidiovana ary ny fahadiovana :

 

  • Ireo tetikasa hanorenana toeram-pidiovana kasaina ho vatsian’ireo

kaominina vola dia ho raisin’ny Fiadidiana ny Repoblika ny famatsiambola

amin’izy ireny. Ny fitantanana kosa dia mijanona ho an’ny Kaominina.

Mila jerena sy arahan’ny minisitra maso akaiky ny fandaniam-bola sy

ny sora-bola ho enti-manatanteraka ny asa fampidiran-drano ho an’Antalaha, Antsiranana ary Kandreho. Tokony atao mifandraika amin’ny isan’ny mponina ny fandaniana amin’izany.

Ny fanadihadiana sy ny fanarahana ny tetikasa fampidiran-drano ao amin’ireo distrika 60 izay mitotaly 7,5 Milliards Ar dia mila arahan’ny minisitra akaiky, izany hoe 125 Millions Ar isaky ny distrika izany, ary tokony jerena ny fampiarahana ny fanadihadiana amin’ireo distrika mifanakaiky mba hisorohana amin’ny fandaniana mihoampampana.

Ho an’ny asa fampidiran-drano manokana dia mila arahana akaiky ny tombam-bidin’ireo fantsona mitondra rano isaky ny kilometatra, ny tombam-bidin’ny lany eo amin’ny fametrahana sy fampiasana ireny toby fakana rano ireny, ny tombam-bidy atao isaky ny manao lavadrano ary tokony hisy ny mari-bola mazava sy mitovy arakaraky ny toerana hampakarana rano, mba hisian’ny fitantanana mazava sy marina. Ohatra amin’izany ny tsy tokony hihoatra na manodidina ny 300.000 Ar ka hatramin’ny 1 tapitrisa Ar ny 60 « mètre linéaire ». Tsy tokony hihoatra ny 150 tapitrisa Ar ny fanaovana lavadrano midina any amin’ny 50 metatra ary mamoaka rano fisotro madio 25m3 isan’ora.

 

Mahakasika ny Minisitra lefitra misahana ny Tanana vaovao sy ny toeram-ponenana :

 

  • Tsy maintsy tanterahina amin’ity taona ity ny famaritana ny tany ho

entina manatanteraka ny tetikasa Tanamasoandro ary ilaina ampidirina

ao ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena avo lenta araka ny efa

voafaritra ao anatin’ny tetikasa.

 

Andry RAJOELINA

Filoham-pirenena