Atoa Praiminisitra

Ramatoa sy Atoa Minisitra isany

Atoa Sekreteram-panjakana,

 

Mihazakazaka ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus maneran-tany fa indrindra taty Afrika izay nitombo avo roa heny tao anatin’ny 72 ora ka isan’izany Kenya, Ethiopie, Sénégal, Turquie, Afrika Atsimo, Egypte sy ny maro hafa ary koa ireo Nosy rahavavy aty amin’ny ranomasim-be indianina.

 

Noho izany tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hentitra kokoa isika hiarovana ny Malagasy sy ny mponina rehetra eto an-tanindrazana.

 

Amin’izao ora izao tokoa mantsy dia efa tafiakatra valo amby roapolo (28) ny firenena aty Afrika misedra an’io valan’aretina Covid-19 io raha toa ka 14 monja andro vitsy lasa izay! Ary ireo firenen-dehibe dia hita fa tena sahirana mifehy sy miatrika ity

valan’aretina ity.

 

Efa nambarako ary hamafisiko hatrany fa tsy mifidy firenena, tsy mifidy saranga ity valan’aretina ity ary mihazakazaka ny fitombony, saika isan’ora sy isan-tsegondra

mihitsy raha ny tarehimarika ofisialy mivoaka maneran-tany no arahana akaiky.

Efa 185.067 no voalaza fa mitondra ilay tsimokaretina maneran-tany ary efa maherin’ny 7330 ny maty na dia efa 80 236 no sitrana.

 

Isaorana Andriamanitra raha mbola tsy ahitana izany eto aminstika hatramin’izao ary ny fisorohana izany no imasoantsika andro aman’alina ka tsy maintsy handraisana ny fanapahan-kevitra haingana, arakaraky ny fivoaran’ny fihanaky ny aretina maneran-tany.

 

Manoloana izany dia mila hentitra isika amin’ny fampiharana ireo fepetra efa noraisina hiarovana ny ain’ny mpiray tanindrazana tsirairay. Ary mila mahay mandamina sy mahay mandray fanapahan-kevitra haingana sy hentitra ao anatin’ny

fotoana fohy isika.

 

Adidiko sy ianareo mpikambana ato anatin’ny governemanta ny miaro ny

firenentsika manontolo. Noho izany, dia misy fepetra vaovao ho raisina ho entina

manamafy ireo paik’ady efa napetraka:

 

- Hanafatra ny fanaovana fitiliana manokana mikasika ny Coronavirus isika izay

ahazona valiny avy hatrany ao anatin’ny 20 minitra monja. Izany fitaovana fitialana ho hafarantsika manokana mba hafahana mahalala eo noho ny eo raha mitondra ny tsimok’aretina na tsia ny olona iray.

 

- Marihako fa any amin’ny firenena maro hafa dia mbola mila miandry iray andro

vao azo ny valinin’ny fitiliana. Fitaovana ara-dalana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io fitaovana fitiliana io ary efa nahazo ny fankatoavan’ny OMS.

Noho izany ireo olona rehetra miditra eto an-tanindrazana na efa niditra teto antanindrazana tao anatin’ny herinandro izay dia hatao fitiliana avokoa.

Ampatsiahiviko hatrany fa ny fifampikasohan’ny olona samy olona ihany no

ahafan’io tsimok’aretina io mifindra.

 

Amin’ny maha nosy an’i Madagasikra dia amin’ny alalan’ny fidiran’ny olona mitondra

ny tsimok’aretina avy any ivelany mandeha amin’ny fiaramanidina sy ny sambo miditra eto amintsika no ahafan’ny Coronavirus tonga eto amintsika.

 

- Raisintsika androany ny fampihatoana tanteraka ireo sidina rehetra mampifandray an’i Madagasikara amin’ny avy any ivelany rehetra. Io dia hampiharina manomboka ny 20 marsa 2020.

 

- Araky ny efa voalazako teo aloha dia omena hatramin’ny alakamisy 19 martsa ireo olona monina eto Madagasikara, n’inon’inona fihaviany, izay mbola namita iraka na mitsabo tena any ivelany hodiany.

 

Ireo fepetra noraisintsika ireo dia ho entina miaro hatrany ny mpiray tanindrazana

sy ny mponina rehetra eto Madagsikara.

 

Hisy ny fifampidinihana amin’ireo mpandraharaha ara-toe-karena manoloana ireo

fepetra noraisina, ary hamafisiko etoana fa ireo entana rehetra ilaina andavanandro dia misy, ireo fanafody dia misy ny solika dia misy ary tsy tokony hisy ny fanafenana na fampiakarana ny vidin’entana manoloana ireo fepetra rehetra noraisina. Faizina

araka ny làlana manan-kery izay tsy manaraka ireo fepetra noraisina.

 

Efa nisy fifampiresahana sy ny fivoriana efa natao niaraka tamin’ny FMI amin’ny

fanohanana sy fanampiana an’i Madagasikara amin’izao ezaka lehibe ataontsika

izao. Vonona ny hanohana antsika izy ireo.

 

 Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

 

Lahy tokana ny aina ary fahasalamana no loharanon-karena voalohany. Koa

raisiko ho adidy sy laharam-pahamehana ny fiarovana sy ny fitandroana ny fahasalaman’ny eto an-tanindrazana rehetra tsy ankanavaka.

Mangataka ny fiaraha mientan’ny tsirairay hitombo fitandremana, hanaraka antsakany sy andavany ny fandaminanana apetraka.

 

Ny Numero Vert 910 dia efa azo antsoina isan’andro ahafahan’ny mpitsabo

mifandray mivantana amin’ny vahoaka.

 

Miomana, misoroka ary tsy hilavo-lefona isika!

 

 

                                                                                    Ny Filoham-pirenena

 

 

                                                                                      Andry RAJOELINA