Isaorako ny CENI sy ireo andrim-panjakana ary ireo rehetra niara-nisalahy nahatontosa iny fifidianana iny. Tonga eo amin'ny kihon-dalana hanova ny tantarany i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy saingy tsy maintsy mbola handrasantsika amim-pitoniana sy amim-pahendrena tanteraka ny fanapahan'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana.

Miandrandra filaminana, manantena fandrosoana ary fialana amin'izao fahantrana sy olana goavana izao isika mianakavy amin'ny taona 2019 ho avy tsy ho ela. Horaisintsika amim-pifaliana izany fahazavana izany. Koa irariako, irarianay mivady sy ny ankohonanay ho taon-tsambatra feno fanantenana sy fahazavana ny taona 2019 ho avy.

Mirary faran'ny taona milamina, tsisy hotakotaka sy korontana, ho antsika rehetra eto am-piandrasana ny didy fanapahana farany ataon'ny HCC isika mianakavy. Efa mandresy isika ary tsy maintsy mbola handresy satria ny fitiavana no lehibe indrindra.

Masina ny Tanindrazana.