Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Zely Arivelo Randriamanantany
Nivoitra nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra ary ampiharina amin'ny faritra 3 : ny Fahamailona ara-pahasalamana
Faritra : Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony
Ho fanapahana ny rohi-pifindran’ny valanaretina dia hamafisina ny fampiaharana ireo fihetsika sakana na « geste barrière » efa mahazatra teo aloha toy ny : tsy maintsy atao
✅ Fametahana aro-vava orona
✅ Fanasana tanana amin’ny rano sy savony na gèl désinfectant,
✅ Fanajana ny elanelana 1 metatra,
✅ Tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 100 anaty efitra mihiboka,
✅ Averina ny laharana maintso 914
Lamina eny amin’ny toeram-pitsaboana :
✅Hisy ny test diagnostic antigène (TDR) eny amin’ny CSB-II
✅Ho zaraina maimam-poana ny fanafody entina mitsabo ho an’ireo « tester positif » miaraka amin’ny CVOplus
✅Hisy fizarana ny CVO eny amin’ny faritra izay ahitana fiakaran’ny tranga Covid-19. Tsy atery ny fihinana azy. Ampitomboina ny toerana fanaovana vaksiny.
✅ Aterina isam-baravarana ny « attestation de positivé » ho an’ireo olona positif amin’ny Covid19 miaraka amin’ny fanafody hitsaboana.
✅ Maimaim-poana ny fitiliana ho an’ireo olona mahatsapa fa misy soritr’aretina.
Mila mitandrina sy mailo hatrany isika rehetra