Tontosa ny 1 desambra 2021 tao amin’ny Fitsarana an-Tampony Anosy ny lanonana fandraisana ny fianianan’ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI.
Nanatrika izany fandraisam-pianianana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ireo filoha sy solon-tenan'ny andrimpanjakana.
Nianiana ny hanatanteraka ny andraikitra sahaniny araka ny didy aman-dalàna mifehy azy ireo sy ny lalàmpanorenena, ny hitandro lalandava ny fahamarinana, tsy mitanila, ary handala ny fahamendrehana takian’ny andraikitra sahaniny ireto mpikambana vaovao ireto. Araka ny lalàna mifehy azy ireo dia hiantso fivoriana tsy ara-potoana ny zokiny indrindra amin'ny mpikambana vaovao amin'ny CENI, telo andro aorian'izao lanonam-pianianana izao.