Miroso hatrany amin'ny fampiasana angovo madio sy ny fampitomboana ny famokarana herinaratra i Madagasikara. Nosoniavina ny 15 novambra 2021 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaraham-piaraha-miasa fananganana ny toby famokarana herin'aratra na "centrale hydroélectrique" ao Sahofika hiarahana amin'ny vondrona NEHO.
“Ny fampivoarana ny angovo no ivon’ny fampandrosoana amin’ny sehatra rehetra toy fahasalamana, ny fanabeazana, ny fitomboana ara-toekarena sy ny indostria” hoy ny Filoha.
Dimy taona no haharetan'ny fananganana ny fotodrafitrasa sy hampidirana izany amin'ny tambazotran’ny herin’aratra. Tokantrano miisa 1,6 tapitrisa kosa no hisitraka herinaratra avy amin'ity toby ity, izay hamokatra 192 MW azo hitarina hatramin'ny 300 MW, ho an'ny tambazotra iraisana Antananarivo hatrany Toamasina sy Fianarantsoa. Ity toby hatsangana ao Sahofika ity izany no toby mpamokatra herinaratra lehibe indrindra eto Madagasikara. Ankoatra izany ny fampiasana ny angovo azo havaozina dia hampihena ihany koa ny vidin-jiro eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Noho ny fandresen-dahatra nataon’ny Fitondram[1]panjakana dia hidina 4,96 cents euros/kWh izany raha toa ka manodidina ny 20 cents euros/kWh no ividianan'ity orinasa ity herinaratra ankehitriny.
Hiteraka vokatsoa maro ny PRIRTEM 2
Ny tetik’asa Sahofika dia mifanindran-dalana amin’ny tetik’asa PRIRTEM 2, vatsian’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana, izay mikendry ny fampifandraisana ireo tambazotrana herin’aratra eto Madagasikara, mba hiantohana ny famokarana herinaratra ary hanamorana ny fidirana amin’ireo tobi-pamokarana ary hampidinana ny sandan’ny famokarana herinaratra. Ny tetikasa PRIRTEM 2 dia hampihenana ny mety ho voka-dratsin’ny famokarana herinaratra eo amin’ny tontolo iainana, hanatsara ny fahazoana herin’aratra eo amin’ireo faritra misy ny tetikasa, ary koa hiteraka famoronana asa mivantana miisa 300 ka vehivavy no 20% amin’izany.
Eo an-kilany izany, hajariana ny lalana mirefy 60 km mampitohy an’Antanifotsy sy Belanitra, izay misy izany tetik’asa izany. Hamboarina kosa ny lalana vaovao mirefy 32 km mampitohy an’i Belanitra sy ny toerana misy ny toha-drano. Dingana lehibe amin'ny fampitomboana avo roa heny ny famokarana herin’aratra amin'ny vidiny mora no tontosa androany ary indrindra ny fanantanterahana ny velirano faharoa nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny hazavana ho an'ny rehetra. Nanao antso avo ireo mpiara-miombon'antoka rehetra amin'i Madagasikara moa ny Filoha mba hanohana ireo tetikasa fampiroboroboana ny famokarana angovo madio izay mipàka mivantana amin'ny vahoaka ary antoky ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Ankoatra ity toby apetraka ao Sahofika ity moa ty nampatsiahivin’ny Filoha Andry RAJOELINA fa efa maro ihany koa ireo toby mampiasa angovo azo havaozina toy ny azo avy amin’ny masoandro, ny rano ary ny rivotra apetraka manerana ny Nosy.