Nandritra ny fankalazana ny faha 130 taonan'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana (HOMI) sy ny  fitokanana ny sampana vonjy aina nasiam-panavaozana eo anivon’ity hôpitaly ity, ny 12 oktobra 2021,

dia nanome toromarika an'ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fahasalamana ny Filoha Andry Rajoelina fa ireo marary rehetra tonga manatona ireo sampandraharahan’ny vonjy aina dia tsy maintsy raisina avy hatrany ary tsy mandoa vola izy ireo. Efa misy ny tetibola natokan’ny Fitondram-panjakana ho amin’izany ary efa mipetraka ihany koa ny lamina rehetra eny anivon’ireo toeram-pitsaboana maro izay ahitana ny fandraisana an-tanana an'ireo marary izay tena sahirana ara-pivelomana, dia ilay antsoina hoe: "Fonds d’urgence sanitaire". Ary amin'ny maha "Vonjy Aina" azy, dia fitsaboana faran'izay haingana no hatao, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, ka tsy tokony hisy intsony ny fampiandrasana ny olona marary izay tonga, mandritra ny ora maro. Efa nisy ireo ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ireo mararin’ny Covid-19 ary mbola mitohy izany hatramin’izao. Notsiahivin'ny Filoha Rajoelina ihany koa ireo ezaka goavana efa vita sy an-dalam-pahavitana eo sehatry ny fahasalamana dia ny nametrahana CSB 2 miisa 101 manerana ny Nosy sy ny Hopitaly Manara-penitra 13 manerana ny Faritra.

 

130 taona nijoroana ny HOMI

 

Raha hiverenana ny zava-nisy ny 12 oktobra 2021, nohavaozina tanteraka ny sampandraharaha misahana ny vonjy aina ao amin'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana mba hahatsara kokoa hatrany ny fandraisana ireo marary. Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha 130 taonan'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana dia notokanan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina io andro io  ity sampandraharaha ity. Ny fahasalamana no voalohan-karena, hoy ny Filoha, ary izany indrindra no mahatonga azy ho laharam-pahamehana ao anatin’ny fandaharanasa sy velirano faha dimy dia “fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka”. Anisan’ny paikady hahatratrarana izany ny fametrahana fotodrafitrasa manara-penitra manerana ny Nosy ary manakaiky ny vahoaka, ary tafiditra ao anatin'izany ity Sampandraharaha misahana ny vonjy aina eto anivon'ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana ity (HOMI). Efa nisy hatramin’izay ny Sampandraharahan’ny "Vonjy aina" teo anivon'ny HOMI saingy tao anatin’izay 130 taona izay, nanomboka tamin'ny nananganan'ny Mpanjakavavy Ranavalona faha III azy, dia efa misy ny fahanterana na ny fahasimbany ny fitaovana ary ny toerana. Noho izany dia nandray fanapahan-kevitra ny fitondram[1]panjakana tarihin'ny Filoha Andry Rajoelina, ny hanamboarana sy hanatsarana ary hanavaozana izany sampandraharaha izany mba ho mendrika fitsaboana manara[1]penitra ny marary mila fitsaboana maika. Tsy ny trano ihany anefa no nasiam-panatsarana, fa eo ihany koa ny fampitaovana ny sampandraharaha, izay nomena fitaovana isan-karazany ilaina amin’ny famonjena ny ain-dehibe, amin’ny famelomana aina, sy ireo fanafody samihafa ilaina amin’izany. Ny fanavaozana natao dia ahafahan'ny Sampana "Vonjy Aina" ao amin'ny HOMI hampitombo avo roa heny ny isan’ny marary raisina an-tanana.