21 ny volana jolay : tratra ny teti-dratsin’i Paul Rafanoharana amin’ny fikasana haka fanjakana amin’ny fananganana tetezamita aorian’ny famonoana ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA.
Fanomezam-baovao avy amin’ny ratsam-pitsikilovana amerikana no namaky bantsilana, namita ny asany ny mpitandro ny filaminana malagasy ary noentina teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny zava-nisy. Mandrak’androany 30 jolay, mitohy ny fanadihadiana, mihamaro ireo voasambotra ary mivoaka tsikelikely ireo atidoha ambadika sy ireo sandry saika ho ampiasaina.
Araka izany, 15 no fantatra hatreto fa voarohirohy ary fahazoan-dalana hanao fanenjehana na « autorisation de poursuite » 11 no nosoniavin'ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena mikasika zandary voakasik’ity raharaha ity.
10 tapitrisa eorô
Raha ny fantatra hatreto, efa ho herintaona no nanomana ity fikasan-dratsy ity ary vola 10 tapitrisa eorô no hampiasaina hanantanterahiana izany. Tamin’ny alalan’ny « Mail » no nentina niantsoana ireo hamatsy ny asa izay sokajiana ho fampihorohoroana ka anisan’ny nitakiana izany ny orinasa Madagascar Oil. Raha ny fanambaran’ny orinasa anefa, tsy namaly ny «Mail» avy amin’ny Paul RAFANOHARANA izy ireo. Na izany na tsy izany, nandritra ny fisavana natao tao amin’ny tranon’i RAFANOHARANA dia efa nisy ny volabe tratra ka ny fanadihadiana no hahafantarana ny fiavian’ireo volabe tratra ireo.
Esty ankilany, ny loharanombaovaon’ny mpanao gazety no nahafantarana fa efa narahiny maso tsara ireo dihan’ny filohan’ny Repoblika sy ny fanaony. Efa fantany ny fotoana hanaovana ny fikasandratsiny. Izany rehetra izany dia afaka hilazana fa tsy saritsary na tantara tsangana fa tena nisy io fikasana io na dia eo ary ireo mpivohy ny mifanohitra amin’izany.
Ireo manam-pahaizana eo amin’ny lafin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany dia milaza fa noho ny antony politika na mety ho noho ny antony ara-toekarena sy ara-stratejika ihany koa no nahatonga ireo olon-dratsy saika hifofo ny ain’ny Filohan’ny Repoblika sy haka ny fahefana.
Raha tsiahivina, tsy vao izao no nisy famonoana na fikasana hamono filoham-pirenena teto amintsika fa efa nitranga izany ny 11 febroary 1975 izay nahafaty ny Kôlônely Richard RATSIMANDRAVA. Teo ihany koa ny fikasana hamono ny amiraly Didier RATSIRAKA ny taona 1983. Arak’izany tsy azo hamaivanina ny toe-draharaha.
SAHY Sylvain