Noresahana nandritry ny Filankevitry ny Minisitranatao ny 7 Jolay 2021 ny andinindin’ny drafitra hanatanterahana ireo hevi-dehibe sy tetikasa lehibe miisa 13 tapaka nandritry ny fikaonan-doha lehibe notanterahina tany amin’ny faritra atsimo ny 11 sy 12 jona lasa teo. Ny tanjona dia ny hanova tanteraka iny faritra atsimon’i Madagasikara iny.
Raha fintinina dia miisa 141 ny totalin’ireo tetikasa atao any atsimo. Ka misy amin’ny famatsiambola no avy amin’ny volam-panjakana na « Ressources propres internes » ary misy kosa avy amin’ny mpamatsy vola toa an’ny Banky Iraisam[1]pirenena, ny BADEA, ny tetikasa DEFIS, FDA, Région, CASEF.
Hisy ny dinika atao miaraka amin’ny mpamatsy vola sy mpiara[1]miombon’antoka ara-teknika. Apetraka ihany koa ny fametrahana ny « cartographie » ahafahana mijery ireo asa rehetra mbola tsara hotanterahina isaky ny faritra.
« Engagement » goavambe
Tsy nisy fitondrana nandray fanamby na « engagement » lehibe hanova iny faritra iny hatreto ankoatr’izao fitondram-panjakana mahefa izao. Isan’ireo tetikasa lehibe tapaka fa hotanterahina any ireto manaraka ireto :
- Fampidirana RANO, fanadiovana ary fidiovana ary tafiditra ao anatin’izany :
ny fanamboarana ny Pipeline an’i EFAHO apetraka amin’ny Ressources propres internes (RPI). Mponina miisa 90.000 no hisitraka ity ny fisian’ity Pipeline ity mandritry ny phase na dingana voalohany ary miisa 800 000 kosa mandritry ny dingana faharoa.
- Ny fanamboarana ny Pipeline an’i SAMPONA miaraka amin’ny banky iraisam[1]pirenena, mitotaly 32 500 ny isan’ireo mponina any atsimo hisitraka izany.
- Ny fametrahana « points d'eau » iarahana amin’ny mpamatsy vola, ka mponina miisa 45 000 no hisitraka izany ary kendrena ho vita afaka 18 volana
- Ny fametrahana « usine d’ensachage d’eau » Izay hanome rano manodidina ny 1500 litatra ka mponina miisa 3 000 isanandro no hisitraka izany.
- FOTODRAFITRASA sy ny LALANA
Eo ny fanavaozana ireto lalam-pirenena ireto : RN13 , RNT12A ary ny RN10
- Hisy ny fametrahana PARCS SOLAIRES any amin’ireo distrika rehetra any atsimo
- Ny fanamboarana lalana pavé any amin’ireto toerana manaraka ireto : Ambovombe-Antanimora-Bekily-Beloha-Androy-Tsihombe-Amboasary[1]Betroka-Taolagnaro
- Ny fanomezana fitaovana lehibe fanamboaran-dalana ho an’ny faritra Anosy sy Androy Ity fitondrana amperinasa ity no fitondrana voalohany nanomana vola manokana hanamboaran-dalana raha toa ka niandry sy niandrandra hatrany ny famatsiana avy amin’ny mpamatsy vola vahiny ireo fitondrana nifanesy
- Mikasika ny ANGOVO
- Eo ny fametrahana “Centrales solaires photovoltaïques » ao amin’ny faritra atsimo andrefana dia ao Mangily sy Anakao. Tokantrano miisa 2 500 no hisitraka izany
- Eo ny fanazavana ny tanàna na « eclairages publics »
- Eo ny fametrahana Parcs solaires ka olona mitotaly 120.000 no hisitraka izany
4 - Fametrahana ny CRNM na ny « Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale » any amin’ny distrika dimy toa an’i Ambovombe, Amboasary, Ampanihy, Bekily, Beloha. Ireo CRNM ireo dia ahitana Bankin-tsakafo na Banque Alimentaire, trano fisakafoanana na Réfectoire ary toera-pitsaboana na Centre de santé. Olona miisa 410 594 no hisitraka izany.
- Eo amin’ny lafiny ARA-PAHASALAMANA sy FANDRINDRAM-PITERAHANA
Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana « maisons des femmes » Ny asa fanentanana na « Campagne de sensibilisation” mikasika ny fandrindram-piterahana
- Eo ny fametrahana CSB manarapenitra ka CSB miisa fito no kendrena hapetraka ao anatin’ny enim-bolana
- Ny fametrahana « salles d’hospitalisation ahitana fandriana 20 isa, miaraka amin’ireo fitaovana fitsaboana nify
- Eo ihany ko any fanomezana fiara fitondrana marary na ambulance
6 - Mikasika ny FANJARIAN-TSAKAFO na NUTRITION
Eo ny fananganana ozinina famokarana fanampin-tsakafo na aliments fortifiants miaraka amin’ny NUTRISET
- Fananganana ivon-toerana mamokatra Spiruline
7 - Eo amin’ny sehatry ny FAMPIANARANA
Eo ny fametrahana ireo sekoly manara-penitra
- Ny fampitaovana ireo CEG sy Lisea
- Ny fampitaovana ny CFPR ao Tsihombe
8 - Mikasika ny TANORA sy ny FANATANJAHANTENA
Fanorenana kianja mitafo, kianja manara-penitra ary kianja filalaovana basket sy volley-ball miaraka
9 - Mikasika ny FANDRIAMPAHALEMANA
Fametrahana Base opérationnelle avancée (BOA), ireo détachements spéciaux de sécurité (DSS), ny fametrahana kaompania miaraka amin’ny fitaovana (CIE) ary fividianana angidimby.
10 - Mikasika ny FITSINJARAM-PAHEFANA
Fanorenana tsena mitafo, biraon’ny kaominina, tranom-pokonolona, biraom-pokontany manarapenitra, fanarenana sy fanatsarana fotodrafitrasa samihafa
11 -Eo amin’ny sehatry ny FAMBOLENA
- Fanarenana ny velaran-tany voatondraka
- Famerenana ny fahafaha-mambolin’ireo tokantrano sahirana
- Fizaràna « Titre vert » ho an’ny ankohonana miisa 2000 amin’ny velaran-tany 200 Ha misy rano ampiasaina amin’ny fambolena sy fiompiana
- Fampiroboroboana ny fiompiana omby amin’ny karazany vaovao na Feedlot
- Fametrahana tanàna ho an’ireo mpanjono na villages des pecheurs
- Fametrahana Ozinina mpamokatra Spiruline « Arthrospira plantensis »
- Fanajariana ny toeram-piompiana omby
12 - Mikasika ny VAROTRA sy INDOSTRIA
Fametrahana ny ODOF (One District One Factory)
- Fametrahana Parcs industriels
- Fametrahana Ivotoerana ho an’ny asa
- Fametrahana Ivotoerana ho an’ny varotra Hisy ihany koa ireo tetikasa hiarahana amin’ny fandaharan’asa Fihariana toy ny :
- Fampitomboana ny famokarana voanjo hanatrana ny fahaleovantena ara[1]tsakafo
- Famoronana Ozinina fanodinana mangahazo ho koba
- Fampitomboana ny famokarana vokatra vita avy amin’ny mangahazo hanatrana ny fahaleovantena ara-tsakafo
- Fampitomboana sy fampiroboroboana ny famokarana « Mil sorgho »
13 - Mikasika ny TONTOLO IAINANA
Fametrahana « Ceinture verte : ahafahana miady amin’ny désertification sy ahafahana mampiroboro ny « résilience climatique »
Mandram-pahatanterahan’ny asa azo tsapain-tanana afaka volana vitsivitsy dia hojeren’ireo ministera vitsivitsy voakasika manokana maika ihany koa izay asa haingana tokony hatao hanampiana ireo olona rehetra iharan’ny tsy fahampian-tsakafo any an-toerana. Ka hisy ny fivoriana isan-kerinandro ataon’ireo tompon’andraikitra ireo mikasika izany.