Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 12 Mey ny fanatanterahana ny toromariky ny Filoham-pirenena amin’ny handraisana mpiasam-panjakana amin’ny alalan’ny « fifanarahana ara-kasa manokana » izay hamaritana ny asa andrasana aminy, ny tamberin’andraikitra iantsorohany, ny toerana iasany, ny fe-potoana hiasany, ary koa ny sazy hihatra aminy raha tsy manatanteraka ny fifanarahana araka izay voasoratra.
Ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny filaminana no hahazo izany ka ireo faritra ambanivohitra, na koa ireo tsy ampy mpiasam-panjakana amin’ireo sehatra voalaza ireo no hisitraka izany. Mpitsabo, mpitsabo mpanampy, mpampianatra mitazona lakilasy, mpitandro ny filaminana miantoka mivantana ny filaminana isam-paritra no horaisina amin’izany. Izany no natao dia mba hanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka ary koa handrisihana ny fandraisana ireo olona manana ny marim-pahaizana sy ny fepetra mifandraika amin’izany ao amin’ilay faritra niaviany mba hisian’ny famoronana asa any amin’ny faritra.
Vaomiera iraisana minisitera
Ny lamina rehetra amin’izany sy ny tamberin’andraikitra ho an’ireo mpiasam-panjakana horaisina ary hampidirina amin’ireo sehatra telo voalaza ireo dia hofaritana araky ny sehatra misy azy avy, saingy hisy kosa ny lamina iraisana rehetra mba hahamari-toerana ilay fifanarahana amin’ny endriny vaovao. Hisy araka izany ny vaomiera iraisan’ny ministera hametraka sy hamolavola ny fehezan-dalàna mamaritra izany fifanarahana arak’asa manokana izany, ka hanolotra volavolan-dalàna mifandraika amin’izany amin’ny Filankevitry ny Minisitra manaraka izy ireo aorian’ny fifampidinihana.