Na mitohy mandritra ny 15 andro manaraka aza ny amehana ara-pahasalamana dia miverina any an-tsekoly ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana manomboka ny 3 Mey, izany hoe ireo hanomana ny fanadinana hakana ny diplaoma CEPE, BEPC ary BACC.

Izany no anisan’ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ireo mpanao gazety nandritra ny harivan’ny 2 Mey.
Izany fanapahan-kevitra izany dia noraisina noho ny fahatsapana fa nandaitra ireo fihetsika sy fanapahana nampiarina hiadiana amin’ny valan’aretina covid 19. Noho io antony io ihany, miverina misokatra ny faritra Boeny sy Nosy-Be.

Faritra 6 mikatona

Etsy ankilany anefa, misy ireo faritra voatery akatona noho ny firongatry ny aretina, dia ny faritra Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy manomboka ny 5 May. Mitohy mikatona ihany koa ny faritra Analamanga, Atsinanana sy SAVA. Mbola miatra avokoa ireo fanapahan-kevitra rehetra iadiana amin’ny fipariahan’ny valan’aretina amin’ireo faritra mikatona toa ny tsy fahazoana mivezivezy manomboka amin’ny 9 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina, ny tsy fahafahana mivorivory mihoatra ny olona 50, ny tsy fahafahan’ny olona miditra na mivoaka ireo faritra ireo ary koa ny tsy maintsy hanajan’ny tsirairay ireo fihetsika sakana.
Koa satria mbola ivon’ny valan’aretina ny eto Analamanga dia mbola mitohy ny fampiarana ny fihibohana tanteraka isaky ny faran’ny herinandro.
Nanapakevitra ihany koa ny fitondram-panjakana fa hiato tanteraka aloha ny sidina anatiny izay iandraiketan’ny « Tsaradia ». Izany no natao dia noho ny fahatsapana fa anisan’ny nampiparitaka ny valan’aretina tany amin’ny faritra sasany izay tsy nisy izany teo aloha ny fisian’ny fivezivezen’ny mpandeha tamin’ireny sidina ireny.

Mikatona ny sisin-tany

Namafisin’ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa fa mikatona tanteraka ny sisin-tanin’i Madagasikara ka noho izany dia tsy hisy na iray aza sidina mitondra mpandeha avy any ivelany ho eto amintsika. Ireo teratany vahiny maniry ny hody any an-tanindrazany kosa dia malalaka, hoy hatrany ny Filoha.
Mikasika ny fandraisana an-tànana ireo marary, nisokatra ny 3 Mey ny CTC 19 eny Andoharanofotsy ary hisy CTC 19 avokoa ny renivohitr’ireo faritra 3 nahitana ny fiakaran’ny tahan’ny olona voan’ny coronavirus, dia Antsirabe, Fianarantsoa ary Taolanaro.
Ho tonga ny 7 Mey eto Madagasikara ny andiany voalohany amin’ireo vakisiny ao anatin’ilay praograma « Covax » iarahana amin’ny OMS ka araka ny fandrindrana dia tsy hisy ny fanaovam-bakisiny faobe izay efa hita ny voka-dratsy aterany toy ny tany Inde, Afrika atsimo sy Angletera. Ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo mpitandro ny filaminana, ireo marefo sy ireo zokiolona no voasokajy fa afaka misitraka ny vakisiny ary tsy hifanerena izany fa an-tsitrapo, hoy ihany ny Filoha Andry Rajoelina.
Farany dia nanamarika ny filoham-pirenena fa tsy misy ny fandroahana olona na fandrondanana trano mandritra ny amehana ara-pahasalamana.

Fandaharana niavaka

Marihina fa fandaharana miavaka tsy toy ny mahazatra no niarahana tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ity indray mitoraka satria hita teo anilany ny mpikambana ao amin'ny Governemanta efatra, dia ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ny minisitry ny Fizahantany , ny Fitaterana ary ny Famatarana ny toetry ny andro Joel Randriamandrato ary ny minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa-tanana Lantosoa Rakotomalala. Nanoloana azy ireo kosa ny mpanao gazety Miora Ariniaina Rakotondravoavy avy ao amin'ny TVM , Gasikara Fenosoa avy ao amin'ny Real TV ary Zo Rabarijaona avy ao amin'ny TV Plus


N. Randria