Nanamafy ny filankevitry ny minisitra natao ny 28 aprily 2021 fa ny fanjakana irery ihany no afaka manafatra vakisiny enti-miady amin’ny valan’aretina Covid 19 saingy azo tanterahana kosa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’izany fanafarana izany.
Raràna araka izany ny fivarotana vakisiny ho an’ireo mpandraharaha tsy miankina.
Ireo mpandraharaha sy vondrona mpandraharaha te hanao vakisiny ireo mpiasa ao aminy kosa dia tsy maintsy manaraka ny rindran-damina iarahana amin’ny fanjakana Malagasy. Raha ny nambaran’ny filankevitry ny minisitra, ireo masoivoho vahiny te hanao ny vakisiny ho an’ireo mpiasa ao aminy dia omena fahazoan-dalana ary miantoka tanteraka ny fanarahana ny fahasalaman’ireo olona ao aminy heverin’izy ireo atao vakisiny.
Ho avy tsy ho ela amin’ny fiandohan’ny volana may eto amintsika ny
vakisiny azontsika avy amin’ny fandaharanasa «Initiative covax » ka ireo
siantifika manam-pahaizana Malagasy miaraka amin’ny ministeran’ny
fahasalamana no handrindra ny fanatanterahana izany miaraka amin’ny
mpiara-miombon’antoka.
Mihiboka 14 andro
Mba hiarovana ny Malagasy amin’ny mety ho fahatafidiran’ireo « variants COVID-19» hafa eto Madagasikara, dia nanamafy ity filakevitra ity fa ireo mpandeha rehetra avy tamin’ny sidina laharana AF934 nahazo alalana avy any Frantsa dia tsy maintsy manao fihibohana mandritra ny 14 andro nanomboka tamin’ny fotoana nidirany teto Madagasikara, ao amin’ny toerana izay neken’ny fitondram-panjakana hijanonan’izy ireo. Arahana akaiky ny fahasalaman’izy ireo ary tsy maintsy manao fitiliana amin’ny fifaranan’ny fihibohana vao mihazo ny tokantranony avy ireo aorian‘izany.
Mbola nohamafisin’ity filankevitry ny minisitra ity ny tsy fandraisana mpandeha avy any ivelany intsony miditra eto amintsika araka ny fanapahana efa noraisina.
Noho ny hamehana ara-pahasalamana ihany dia nanambara ny filankevitry ny minisitra fa ahemotra ho amin’ny fotoana manaraka izay mbola tsy voafetra ireo fifaninanana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena tokony ho tontosaina eto Madagasikara ary handraisan’ireo atletantsika anjara.
Farany, notapahan’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny fanomezan-dalana amin’ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny tataon-ketra amin’ireo fitaovana fanaovana fitiliana izay fanomezana voaraintsika.
N. Randria