Mba hiarovana ny Malagasy amin’ny mety ho fahatafidiran’ireo « variants Covid 19» hafa eto Madagasikara izay efa miparitaka any ivelany dia noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 21 Aprily 2021 ny fanapahana fa tsy mandray mpandeha avy any ivelany mihitsy intsony i Madagasikara na avy aiza na avy aiza.

Ny fandehanan’ireo teratany vahiny hamonjy ny tany niaviany kosa dia omena alalana hatrany.
Ireto manaraka ireto kosa ny fanapahan-kevitra hafa tapaka nandritra io filankevitry ny minisitra ioa ihany ary mbola manamafy ny fepetra miaro amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid 19 :

• Ireo mpitondra vokatra avy any amin’ny toerana manodidina an’Antananarivo, izay mamatsy ny vokatra avy any an-tsaha eny amin’ny tsena eto an-drenivohitra, dia afaka miasa sy mandeha tsara noho izy ireo mitondra ny vokatry ny tany avy lavitra hamonjy ireo tsena vao maraim-be.

• Taorian’ny dinika nifanaovan’ny ministeran’ny Fahasalamana, ny ministeran’ny Varotra ary ny holafitry ny mpivarotra fanafody, dia hisy ny famerana ny vidim-panafody natao hiadiana amin’ny Covid 19 izay amidin’ireo farmasia, ka hampahafantarina ny vahoaka izany isaky ny zoma. Ny eto Analamanga no hanombohana izany ary hiitatra any amin’ny faritra rehetra.

• Mba hahafahana mamatsy ara-pitaovana ara-dalàna ireo toerana fandraisana marary sy toeram-pitsaboana isan-tokony dia nomena alalana tamin’ny Filankevitry ny Minisitra natao androany, ny fividian’ny fanjakana mivantana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny ady hiatrehana ny Covid 19 any amin’ireo mpamokatra izany na any ivelany io na eto an-toerana. Izany no natao dia mba hisian’ny fitantanana mahitsy, madio ary mangarahara, tsy hisy mpanelanelana intsony na fakàna tombony mioampampana fa tonga dia ireo tena mpamokatra sy mpisehatra amin’ilay asa no hisian’ny fifampiraharahana.

• Notapahan’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa fa ny fitantanana ny vola sy ny fandaniam-bola rehetra manodidina ny Covid 19 dia mandalo ao amin’ny « fonds CCO » avokoa, ary tsy maintsy mandalo ny fankatoavan’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary mahazo alalana avy ao amin’ny Fiadidiana ny governemanta sy ny Fiadidiana ny Repoblika.