Nohamafisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny 31 martsa ny fepetra rehetra noraisina ary ny paika sy ny drafitra hoentina miatrika ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID-19:
Araka izany :
• Ny CSB no mandray ny « formes légères » ireo izay mahatsiaro ho mikohaka sy reraka ary tsy dia tomombana tsara ny fahasalamany ka mitondra ireo soritr’aretina. Ireo CTC 19 kosa indray, dia mandray ireo « formes modérées » izany hoe ireo manomboka mihasempotra ka heverin’ny mpitsabo fa afaka mbola ampiasana ireo “concentrateurs d’oxygène”. Ireo hopitaly kosa no mandray ny « formes graves » izany hoe ireo efa tena sempotra be sy mila fanarahana manokana mihitsy ny toe-pahasalamany. Raha Antananarivo manokana dia etsy Mahamasina, Village Voara ary etsy Ivato (MBC ex CCO) no misy ireo Centre de Traitement du COVID 19 na CTC-19 ary miisa 28 ireo CSB afaka mandray ireo marary. Ireo CHU hopitaly lehibe rehetra eto an-drenivohitra dia mandray ny mararin’ny Covid formes graves avokoa ary efa nisy ireo services novahana ahafahana mandray ireo marary tena misy fahasarotana.
• Hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina dia haharitra 15 andro ny fialan-tsasatry ny mpianatra mandritra ny Paska izay hanomboka ny zoma izao. Ny Oniversite ihany koa dia hisy fialan-tsasatra mandritra ny 15 andro manomboka ny zoma ho avy izao ihany koa.
• Hividy ao anatin’ny fotoana fohy “générateurs d’oxygène” ny fanjakana hanampiana ireo efa misy any amin’ny hopitaly mandray ireo mararin’ny COVID 19. Ary omena fahafahana manokana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fikarohana ny tolo-bidy ara-dalàna mahakasika izany.
• 914 no laharana an-tariby afaka hiantsoana ny BIS amin’ny fanarahana ireo mitondra ny otrikaretina coronavirus ary hampitomboina ny ambulances hoentin’izy ireo maka ireo marary mamonjy toeram-pitsaboana.
• Hanao fanadiovana faobe ireo toerana rehetra mandray olona manerana ny faritra ny ministeran’ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana ary ilaina tohizan’ireo toerana mahazo izany ireo fanadiovana ary koa ny fametrahana ireo fitaovana fanadiovana tanana .
• Omena fahazoan-dalana ireo toerana fivarotam-panafody mba ho afaka mivarotra avy hatrany ireo « protocole de traitement COVID19 » ho an’ireo izay mividy izany any amin’izy ireo mivantana. Hamafisina ny fanomezana CVO plus ho an’ireo rehetra mitondra ny otrikaretina. Ary tokony hampiharian’ireo mpitsabo rehetra mandray ireo marary na any amin’ny sehatra tsy miankina na tsia ireo « protocole de soins » mba hahafahana mandray an-tanana haingana ireo marary mitondra ny soritr’aretina mba hisorohana ny fahatongavana amin’ny formes graves.
• Haverina hatsangana ao anatin’ny fotoana fohy ny PNGM (Plate forme Nationale de Gestion Médicale) hatao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena etsy Mahamasina mba hahafahana mifehy ny fihanaky ny valanaretina.