Henin-kaja, henim-boninahitra ny fanjakana tamin'ny fandevenana ny filohan’ny Repoblika teo aloha Amiraly Didier Ratsiraka. Vahoaka an’aliny no nanao veloma farany azy tamin’ny lalana rehetra nandalovany, niainga teny amin’ny hopitaly miaramilan’i Soavinandriana ka hatrany amin’ny fasan’ny mahery fo Avaratr’Ambohitsaina.
Vahoaka maro sesehana, mitandahatra, mikopa-tanana, miala satroka, mikopaka mosoara. Fihetsika enti-manaja ny soatoavina maha malagasy. Ray aman-dreny ben'ny firenena no niamboho, manome voninahitra ny malagasy.
Nisy ny nitomany, samy naneho ny alahelony. Filohan'ny repoblika nitondra an-taonany maro, namela soa sy mamy ny Amiraly Didier RATSIRAKA.
Malagasy mampahery ny fianakavian'ny filoham-pirenena ihany koa no hita teny an-dalàna rehetra teny.
Heninkaja, ary heni-boninahitra ny Filoha teo aloha Amiraly Didier RATSIRAKA. Andro tsy ho hay kosehina, andro raketin'ny tantara ho an'ny firenena. Fotoana ho tazomin'ny malagasy am-po noporofoina tamin'ny fihetsika ny 29 Martsa 2021.
Ny soa hoa an’ny vahoaka hatrany
Nialoha ny teny amin’ny « Mausolée », nisy fanomezam-boninahitra azy amin’ny maha manamboninahitra ambony indrindra azy teo anivon’ny Tafika, lanonana manetriketrika izay natao teo an-tokotanin’ny lapam-panjakanan’Iavoloha. Nandritra izany no nilazan’ny Filoha Andry Rajoelina fa mbola niresaka an-telefaonina izy mianaka ny alina nialoha ny nahalasany ary mbola ny fikatsahana ny mety hahasoa ny vahoaka no resaka nataony.
Raha tsiahivina, nodimandry ny marainan’ny 28 martsa ity filoha teo aloha ity rehefa niditra ny hôpitaly ny alatsinainy 22 martsa noho ny gripa. Efa natao ny fitiliana ary tsy nitondra ny tsimokaretina COVID -19 ny tenany. Efa nihatsara ny fahasalamany raha ny fitantaran’ny manodidina azy. Tampoka no nahalasa azy ary voalaza fa fijanonan’ny fo no nahatonga izany.
Ny tolakandron’io, nikabary ny filoha Andry Rajoelina ary nanambara fa hasitrika eny amin’ny fasan’ny Mahery fon’ny tanindrazsana ity filoha teo aloha ity. Nambarany ihany koa fa natao ho andro fisaonana ny 29 martsa 2021, andro andevenana ny Amiraly Ratsiraka.
Noho ny fahalasanan’ny Filoha teo aloha, ny Amiraly RATSIRAKA Didier Ignace, dia misy ny boky fiaraha-mihory misokatra ho an’ny vahoaka malagasy, manomboka ny talata 30 marsa ka hatramin’ny zoma 2 aprily 2021 ho avy izao, isan’andro amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 4 ora tolakandro eny amin’ny Minisiteran ny Raharaham-bahiny, eny Anosy. Misy kosa ny adiresy mailaka ahafahan’ireo izay any amin’ny faritra mandefa hafatra, dia ny : Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.
Sahy Sylvain