Ny 17 martsa, ny Vondron’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana na ny OMS no namarana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa niarahana tamin’ny Fikambanana Fitia nandritra izay telo andro izay. Singa roa lehibe mifameno tanteraka ho amin’ny fampandrosoana ny Firenena ny fanabeazana sy ny fahasalamana.

Noho ny fahatsapan’ny Vondron’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS ny fanoloran-tena sy ny fahaiza-mitariky ny Filohan’ny Fikambanana Fitia Ramatoa Mialy Rajoelina amin’ny fikarohana vahaolana maika sy maharitra amin’ny ady amin’ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo no nahatonga ny OMS handray anjara anatin’ny Tetikasa AVOTSE. Fanomezana ody kakana, fitsaboana ny nify sy ny aty vava, ny fanaovana vaksiny fanefitra hiadiana amin’ireo aretina 11 mpahazo ny ankizy no tolotra ara-pahasalamana omen’ny OMS anatin’ny tetikasa AVOTSE iarahany amin’ny Fikambanana Fitia.


Ny fiombonan’ezaky ny rehetra, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina no ahazoana vokatra tsara. Ankoatra ny fanomezan’ny OMS tolotra ara-pahasalamana ho an’ireo ankizy any amin’ny Faritra Androy sy Anosy ireo dia mitondra ny anjara birikiny ihany koa ny rantsan’ny firenena mikambana misahana ny mponina na UNFPA amin’ny tolotra mikasika ny fandrindram-piterahana.
Raha fintinina, fanaovan-tsonia fifanaraha-piaraha-miasa miisa 5 no vita tato anatin’ny telo andro nanomboka ny 15 martsa ka hatramin’ny 17 martsa. Mpiara-miombon’antoka 9 kosa no naneho ny fahavononany hanohana ny fikambanana Fitia amin’ny tetikasa AVOTSE : nutriset, Fondation Mérieux, Orange Solidarité Madagascar, PAM, Fondation BOA, Fondation Viseo, ny OIT, ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ary ny OMS. Izany fiarahamiombon'antoka izany dia ho mariky ny firaisankina amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ireo ankizy any Atsimo. Izao fiaraha-miasan’ireo mpiara-miombon’antoka izao izay hitondra vahaolana haingana, maharitra ary mivaingana ho an’ireo mpiray tanindrazana any amin’ny Faritra Androy sy Anosy.

Miarivola Tsiferana