“Made for a Woman” orinasa ao Ambohimanarina, Antananarivo, izay vehivavy 100% ny mpiasa ao aminy, tantanana vehivavy ary mamokatra fitaovana ilain’ny vehivavy, maneho sy mitondra avo ny fahaiza-manao sy talentan’ny vehivavy malagasy hatrany ampitan-dranomasina. Io no nofidian’ny filohan’ny Fikambanana FITIA, Mialy Rajoelina, vadin’ny filohan’ny Repoblika hotsidihana, hanombohana ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy,
ny alatsinainy 1 Martsa. Ankoatry ny fambolena sy ny fiompiana dia sehatr’asa ahafahan’ny vehivavy mivoatra, mampidi-bola ary hahaleo tena ny asatanana. Maro amin’ireo vehivavy mpanao asatanana ihany koa anefa toa ny eto amin’ity orinasa ity no efa nisedra herisetra ara-batana ary izany indrindra no anoloran’ny Fikambanana FITIA tarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika Mialy RAJOELINA tanana azy ireo .
Ilaina ihany koa ny mahazo fiofanana mba hahafahana mahazo asa. Hahaleovan-tena ary hananana ny anjara toerana mendrika eo anivon’ny fiaraha-monina ary ny fiaraha-miasa toa izao dia porofo lehibe maneho fitsinjovana ireo vehivavy hoy ny avy ato anivon’ny orinasa.
Omena ny toerany ny vehivavy
Nilaza izy ireo fa mila averina amin’ireo vehivavy ny fahamendrehany. Tsy ho an’ny eto Madagasikara ihany fa manerana izao tontolo izao ihany koa. “Ary mino aho fa ho tsara kokoa izao tontolo izao raha toa ka omena ny toerany ny vehivavy. Eo amin’ny andraikitra maha reny azy voalohany indrindra, fa afaka ny ho andrin’ny fianakaviana ihany koa izy ary mpandray anjara lehibe amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny fiaraha-monina sy ny firenena”, hoy ny tompon’adraikitr’ity orinasa ity izay nanamarika fa noporofoin’ny vadin’ny Filoha tamin’ity andro ity ny fitiavany ireo vehivavy mpiara-belona, izay ilofosany ary iarahany miasa.
Noho ny fepetra hiadiana amin’ny fihanahan’ny covid19 dia isaky ny faritany no hiarahan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika Mialy Rajoelina mankalaza ny 08 martsa amin’ireo vehivavy manerana ny nosy ary nanombohana izany ity fitsidihana ity. Ary ny satria ny vehivavy sady reny dia ampifaliana no nizarany fanomezana, kilalao ho an’ireo reny mitondra ny zanany manaraka miasa tao amin’ny “crèche” tao anivon’ny orinasa.
Voly hazo sy tolo-tanana
Taorian’ny tao Antananarivo, nihazo avy hatrany an’i Toamasina ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Mialy RAJOELINA. Nifantoka tanteraka aminy vehivavy sy ny tontolo iainana ny hetsika izay natomboka taminy fambolenkazo tao Mangarano Toamasina. Niarahana taminy fikambanam-behivavy maro sy vehivavy miketrika ity fambolenkazo ity. Karazana hazo fihinam-boa toy ny papay, garana, ary corossol ary nisy anana koa no novolen’ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Mialy RAJOELINA niaraka tamin’ireto fikambanam-behivavy ireto.
Tsy afa misaraka ny tontolo iainana sy ny fiarenan-doha ny vehivavy. Ilaina ny manodina ireo voankazo voavoly. Ka antony nanoloran’ny Fikambanana Fitia ity « unité de transformation de fruits mutualisée » tao amin’ny “Chambre des métiers” tao Toamasina.
Manampy betsaka ny toekaren’ny vehivavy izao tolo-tanana entin’ny Fikambanana Fitia izao, hoy ny Ministry ny Indostria ny Varotra ary ny asa Tanana, Lantosoa RAKOTOMALALA, satria dingana goavana ahafahan’ireo vehivavy mizakatena sy fanampiana ireo vehivavy misehatra aminy fandraharahana izany.
Hanampy amin’ny famoronana asa sy ahafahana manodina ireo vokatra izay hananan’ny Faritra Atsinanana maro ireto fitaovana natolotry ny Fikambanana Fitia ireto.
Fikambanam-behivavy am-polony no afaka hisitraka ny tombontsoa amin’ity fanomezana natolotry ny Filohan’ny Fikambanana Fitia tao Toamasina ity..
Miarivola Tsiferana