Rehefa nanao fanadihadiana ireo mpianatra dia fantatra fa efa tamin’ny volana jolay 2020 no nalefan’ny fanjakana ho eo ampelatanan’ny tomponandraiktra eo anivon’ny oniversiten’ny Toamasina ny volan'ny vatsimpianaran’ny mpianatra. Izany hoe efa tamin’izany no voarain’ny filohan’ny oniversite izany vola izany fa tsy misy idiran’ny fanjakana velively.
Ankoatra izany tsy fandraisana andraikitra ataon’ ny mpitantanana ny oniversite dia eo koa ny politika izay ao ambadiky ny hetsika ary misy ireo mpanararaotra ka niafara tamin’ny fandravana ny birao fiasana ao anatin’ny oniversite sy fangalarana ireo fitaovana nomeny fitondram-panjakana ilay hetsika.
Raha ny fantatra, mpianatra 3 no naratra ary ny iray tamin’ireo no namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Tetsy andaniny, mpitandro ny filaminana 3 no naratra vokatr’ity korontana nisy tao aminy oniversiten’i Toamasina ny 18 febroary maraina ity.
Fitakiana ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny « équipement » izay marihina fa efa any ampelatanan’ny tomponandraikitry ny oniversite nanomboka tamin’ny volana Jolay 2020 no antony nampihetsika ireo mpianatra. Nisy ny torabato avy amin’ireo mpianatra izay niafara tamin’ny fandefasana entona mandatsa-dranomaso .