Roa taona ny haharetan’ny asa hanaovana ny « Autoroute à péage» 260 km mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, « Voie rapide » mampitohy an’ny Kianja Maki amin’Imerintsiatosika santionany fotsiny ireo amin’ny tetikasa goavana nampanantenain’ny Filoha Andry Rajoelina ary hatomboka amin’ity taona 2021 ity.
Raha ny nambaran’ny filankevitry ny minisitra ny 3 febroary 2021, efa vita ny fandalinana sy fanadihadiana hoentina manamboatra ny « autoroute à péage » mirefy 260km mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina handalo any Alaotra. Raha toa ka 365km ny refin’ny lalana ankehitriny dia hihena 100 km izany amin’ity tetikasa ity. Toy izao ny firafitry ny lalana :
*andian-dalana 2 andaniny sy ankilany ahafahana mifamoivoy ary mirefy 3,5m isanisany no atao amin’izany.
*Hisy zaratany mirefy1,5 mka hatramin’ny2 m ny habeny sy lalana 2 andaniny avy, ahafahan’ny mpikojakoja làlana *hisy ny moron-dalana 1,5m isan’andaniny.
*hisy fizaran-dalana miisa 4 no hohita(«Echangeur» eto Antananarivo,«échangeur avec intersection» amin’ny lalam-pirenena RN44, échangeur ao Brickaville, échangeur ao Toamasina.); hisy ny tetezana,ny viaducs,ary ny tunnels, hisy ihany koa ny «aires de repos» miaraka amin’ireo toerana ilaina isan-karazany mandrafitra izany,hisy koa ny fananganana ny«Poste à péage», hisy koa ny toerana manokana ahafahana miampita sy mampitohy ireo faritra lalovan’ny autoroute na ny atao hoe: «passages supérieurs / inférieurs pour les traversées des routes/ pistes locales».
*andian-dalana 04 kosa no ahafahana mivoaka makany Ambatondrazaka ary andian-dalana 02 hafa ahafahana makany Brickaville.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny tolotra na ny “Appel à Manifestation d’Intérêt” hoan’ny “Voie rapide” mampitohy ny Kianja Maki amin’Imerintsiatosika.
Fomba fiasa vaovao
Amin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ireo mpanatanteraka ny asa na ny atao hoe «Engeeneering Procurement Construction and Financing (EPC+F)» no hanaovana izany.
Izany hoe, ireo orinasa manao ny asa no mitondra ny famatsiam-bola ary 2 taona no faharetan’ny asa izay hiantomboka amin’ity taona 2021 ity.
Marihana fa 500km monja ao anatin’ny 05 taona no lalana vita vokatry ny famatsiam-bola mahazatra, fa ireo fomba famatsiam-bola vaovao ireo amin’ny alalan’ny fifanaraham-piaraha-miasa toy ireo sy maro hafa no hevitra hahafahana manatanteraka ireo lalan-tara mirefy 2000 km.