Mila harindra haingana mba hifanaraka amin’ny fahefa-mividy sy ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara izay vao avy nisedra ny olan’ny valan’aretina ny vidin-jiro sy rano hampiharin’ny orinasa JIRAMA.

Araka ny fanapahan’ny Filankevitry ny Minisitra, ny 20 Janoary, tokony tsy mbola hihatra ny fampiakarana ny saran’ny jiro sy rano mba ho entina mitsinjo ny fiainam-bahoaka sy ny fiainan’ny isan-tokantrano. Raha tsorina, angahatahan’ny fanjakana foibe ny fampiatoana – na ny fanafoanana mihitsy aza – ilay praograma OPTIMA napetraky ny tomponandraikitra eo anivon’ny Jirama, tetikasa izay noheverina hampiena ny faktiora sy ampitovy ny vidin-jiro manerana ny nosy.

Araka izany, omena 48 ora ny JIRAMA handamina ireo faktiora izay tsy takatry ny rehetra intsony ny fanefana ireo sarany vaovao izay nampiharina vao haingana, kanefa hita sy tsapa fa mihoampampana ka tsy takatry ny fahefamividy intsony ary mety hiteraka ho olana ara-tsosialy. Raha ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra, ilaina ny fakana ny hevitry ny minisitera mpiahy sy ny Governemanta manontolo amin’ny fampiakarana ny vidin-jiro sy rano izay misy fiantraikany be eo amin’ny fiainan’ny mponina saika manerana ny Nosy.

Marihana, hoy ny tatitra, fa ny orinasa JIRAMA dia mbola mandray ny « subvention » anarivo tapitrisa ariary avy amin’ny fitondram-panjakana foibe, noho izany ilaina ny fampidinan’ny orinasa JIRAMA ny saran’ny jiro sy rano izay mahakasika mivantana ny fiainam-bahoaka, hoy hatrany ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra. Efa napetraka avokoa ireo paikady rehetra mba hitanana ny vidin’ny jiro sy rano mba tsy hiakatra ary tokony hitohy ireo ezaka efa natomboka sy efa natao hatrizay.