Voatazona eny amin’ny birao mahaleo-tena miady amin’ny kolikoly eny Ambohibao nanomboka androany maraina Atoa Mbola RAJAONAH, mpanolotsaina manokan’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina fony izy teo amin’ny fitondrana ary mpanohana an’Andriamatoa Marc RAVALOMANANA amin’izao fotoana.
Mbola tsy nisy nanambara ny antony hitazonana azy eny amin’ny BIANCO Ambohibao hatreto na ny tomponandraikitra eo anivon’ity birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ity na ny mpisolovava an’i Mbola RAJAONAH. Raha tsiahivina, efa nampanantsoina ho tonga teny amin’ny BIANCO ity mpandraharaha tanora mpanefoefo voarohirohy amin’ny hosoka ity tamin’ny herinandro lasa teo saingy tsy namaly izany.
Izy izay efa nampiteny ny anarany teny anivon’ny filankevi-panjakana ka nahafoana ny tsy fahazoana mivoaka ivelan’i Madagasikara ary ninia mikipy manolona ny taratasy voalohany fampiantsoana azy ary tsy nipoitra raha tsy izao fampiantsoana faharoa izao.