Fifampiarahabana nahatratra ny taona
Tsy nanatrika ny fifampiarahabana nohon’ ny taona vaovao nomanin’ny filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha anio 7 janoary 2019, indray andro mialoha ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fifidianana fihodinana faharoa, ny filoha Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy. Nandefa fialan-tsiny ihany koa ny Praiministra Ntsay Christian.