Korea Avaratra :
Mampanantena ny hihaona matetika kokoa amin’ny filohan’ny Korea Atsimo Moon Jae-in ny filoha koreana tavaratra Kim Jong-un amin’ny taona 2019. Izany hoy anaty taratasy nalefany, dia ho fitsinjovana ny filaminana, sy hamahana ny olan’ny fanesorana ny fitaovam-piadiana nokleary any an-toerana.