Imprimer
Catégorie : Fil infos
Affichages : 928

Miverina indray raha somary nangingina tao ho ao ny fanafihana mitam-piadiana.
Toerampivarotam-panafody iray etsy Ampefiloha no notafihana jiolahy 3 tsy misaron-tava ary nitondra basy poleta iray avy, omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora. Mpanjifa iray tao amin’io toeram-pivarotam-panafody io no namoy ny ainy ary ny vata nisy ny vola kosa dia lasan’ireo jiolahy. Fantatra fa nitsoaka nihazo an’Ampatsakana ireo jiolahy vao vita ny nataony.
Eo am-panatanterahana ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ny borigady misahana ny heloka bevava ao amin’ny polisim-pirenena.