Fanatsarana ny taranaka biby fiompy, Faritra Bongolava
Ho antsika tantsaha mpiompy sy mpamboly, fikambanana sy vondrona tantsaha mpiompy, union des cooperatives FITAFA, cooperative BON-GOUT Land, cooperative NY HERY MAMY, Coalition paysanne de Magadascar na CPM, VOMBO, APDIP, BEVALALA sy ny sisa; ary ianareo izay nahavita fiofanana sy nandray anjara tamin ireny Foire AB intelo nifanesy ireny, tafapetraka ny fifanarahana eo amin ireo fikambanam barotra na société vahiny izay nanaiky sy resy lahatra nandritra ny SPACE RENNES 2018 Region Bretagne, ka vonona ny hifanampy amintsika eto amin ny Faritra Bongolava amin ny fanatsarana ny taranaka biby fiompy( kisoa, ondry, osy). Koa hisy ny fivoriana ho fampahafantarana ny andinindininy amin ny fiveranan ireo delegation any antanindrazana. Mamporisika antsika hatrany hatrany hanatsara ny seha-pamokarana fa io no fototry ny fampandrosoana raha i Bongolava no rasahana.
Ohatra kely: efa tsy azo ianteherana intsony ny karazana kisoa ompintsika amin izao satria mandany hanina be loatra sady be taviny loatra: mila manolo race pure ny mpiompy: vaventy nefa haingam pitombo sady kely tavy, maro taranaka, 6mois 130kg, tsy dia mandany hanina be loatra intsony.